<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>30</hymn_number>
<title>Fo mitambatra ho iray FF30</title>
<lyrics>[V1]
 Fo mitambatra ho iray
 No entina eto izao
 Mitrotro ny fitia
 Hohamasinin' Andriamanitra
 Hitombo hery sy
 Hamerovero koa
 Ka hifanaiky ireo olon-droa
 Fa hiombom-piainana
 Na inona miseho eto an-tany
 Dia vonona hifampitantana

[C1]
   Fitiavana toy ny an'llay Jesoa
   Fitiavana manolotra ny aina
   Fitiavana mandresy fahotana
   Fitiavana ho mandrakizay doria

[V2]
 Toy 'zao androany izao
 'Lay nofinofy izay
 Niainanay taloha
 Ka indro fa miara-belona,
 Miara-tsambatra
 Anivon' ny fitia
 'Lay dina izay
 Niarahana nikolo
 No hamafisina ho doria
 Hotehirizina ho vaovao
 Handrobona, hitombo hasina
 Fitiavana toy ny an'llay Jesoa, sns...</lyrics>
</song>